faharetan' ny tetik'asa?
Post on 06-Feb-2017
261 Views
Preview:
TRANSCRIPT
� �
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
LISITRY NY FANAFOHIZAN-TENY
ANAE Association Nationale d’Actions Environnementales
CFPF Centre de Formation Professionnelle Forestière
CI Conservation International
CIREF Circonscription Régionale de l’Environnement et des Forêts
ESSA Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques
FOFIFA Foibe Fikarohana momba ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra
Ha Hektara
MATE ONG l’Homme et l’Environnement
MEFT Ministère de l’Environnement, des Forêts et du Tourisme
MNP Madagascar National Parks
OIBT Organisation Internationale des Bois Tropicaux
ONGs Organismes Non Gouvernementaux
RPF Restauration de Paysages Forestiers
SAF/FJKM Sampan’Asa Fampandrosoana/Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara
SNGF Silo National de Graines Forestières
TAMS Tetikasa Mampody Savoka
UICN/IUCN Union Internationale pour la Conservation de la nature
USAID United States Agency for International Development
VAM Vascular Arboscular Mycorrizae
WWF World Wildlife Fund
� �
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
FANOROAN-TAKILA
1.� TARITENY ..................................................................................... 1
2.� FANOLORANA NY TOROLALANA ........................................................... 1
3.� TSARA HO FANTATRA MOMBA NY FANARENANA ATIALA ............................ 2
3.1 Fahalalana momba ny “fanarenana endritany rakotra atiala” ..................................................... 2
3.2 Fiteny vitsivitsy manodidina ny fanarenana atiala ....................................................................... 2
4.� SORIDALANA MIKASIKA NY FITONDRANA NY FANARENANA ATIALA ............. 3
4.1 Fandrafetana ......................................................................................................................................... 4
4.1.1 Famantarana sy famaritana ny toerana hisian’ny fanarenana ............................................ 4
4.1.2 Famaritana ny firaisan-tontoloiainana harenina ................................................................... 4
4.1.3 Fanoritsoritana ny ara-piarahamonina sy ara-toekarena ................................................... 5
4.1.4 Famantarana ny tarigetra sy ny tanjon’ny tetikasa fanarenana ....................................... 6
4.1.5 Fametrahana ny vokatra andrasana ........................................................................................ 6
4.1.6 Famantarana ny mpandray anjara ............................................................................................ 7
4.1.7 Famantarana ireo karazana asa (fiasa ara-teknika) ............................................................ 7
4.1.8 Fijerena ny olona sy ny fitaovana ilaina .................................................................................. 8
4.1.9 Famantarana ny enti-manana ara-bola sy ny fandaniana .................................................... 8
4.1.10 Fanisana ny tombontsoa omen’ny tetikasa fanarenana ...................................................... 9
4.1.11 Faminavinana ny faharetan’ny tetikasa ................................................................................. 9
4.1.12 Fametrahana ny fomba fiasa sy ny fizotran’ny fanarenana ........................................... 10
4.1.13 Fametrahana ny fandaharampotoan’ny asa ........................................................................ 10
4.1.14 Fametrahana lamina fanarahamaso sy tomban’ezaka ...................................................... 10
4.2 Fanatanterahana ................................................................................................................................ 13
4.2.1 Fikarakarana ny toerana sy ny enti-manao .......................................................................... 13
4.2.2 Fepetra fanampiny ................................................................................................................... 16
4.3 Fanarahamaso sy tomban’ezaka ...................................................................................................... 18
4.3.1 Fametrahana toerana fanarahamaso maharitra ................................................................. 18
4.3.2 Fanatanterahana ny lamina fanarahamaso sy ny tomban‘ezaka ...................................... 18
5. OHATRA MIVAINGANA ......................................................................................................................... 19
6. RAKI-TAHIRIN-KEVITRA ..................................................................................................................... 22
� �
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
DIKAN-TENY
« Fitantanana vohitra » “Gestion du terroir”
«Mifantoka amin’ny firaisan-tontoloiainana » “Par écosystème”
Akora azo avy amin’ny zava-mananaina Matière organique
Ambaratongan’ny endritany Echelle du paysage
Anona Facteurs
Endritany Paysage
Famitsiana
Fanarenana atiala
Dépressage
Restauration forestière
Fepetran’ny fahombiazana Standards de performance
Firaisan-tontolo iainana Ecosystème
Fomba fiasa « sivana roa sosona » Approche « double filtre »
Foto-tahony Collet
Haiaina Biologie
Karazantany Type de sol
Mpihazaka Acteurs
Ny lamina fanaraha-maso Plan de suivi
Sori-kisarintany Topographie
Tompon’ antoka/Mpandray anjara Acteur
Tondro hanaraha-maso Indicateurs de suivi
Voaary fitaratra Ecosystème de reference
Zanapehintany Tropique
�
1
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
1. TARITENY
Eo anivon’izao tontolo izao, na dia manana sanda sarobidy ho an’ny olombelona aza ny atiala, dia mihoatra ny 50 isan-jaton’ny rakotr’atiala eran-tany tamin’ny fiandohana no efa tsy hita intsony (WWF, 2005). Teo anelanelan’ny taona 1990 sy 2005 ohatra dia hita fa mahatratra 8 tapitrisa hekitara isan-taona eo ho eo ny atiala simba sy very (FAO, 2007).
Raha ny zanapehintany no resahina dia fantatra ihany koa fa nanova endritany maro ny fahasimban’ny atiala. Ary ankehitriny dia 42 isan-jaton’ny rakotr’atiala sisa tavela no mbola vondron’atiala mifanila. Vokatr’izany, atiala mahatratra 830 tapitrisa hektara aty amin’ny faritry ny zanapehintany dia atiala mitsitapatapaka avokoa (OIBT/UICN, 2005).
Noho ireo tranga ireo, tato anatin’ny 20 taona izay, dia nitombo hatrany ny ahiahy sy ny fitodihana amin’ny fahasimban’ny atiala eran-tany. Teraka ny eritreritra santatra maro hamadihana io fironana io sy hamolavolana tetikady sy fiasa ho fanajariana maharitra ny atiala. Anisan’izany ny fisafidianana ny fomba fiasa « fitantanana maharitra » sy ny « fiarovana ny atiala » izay mikendry ny hampihena ny fahasimbana sy ny faharatsian’ny harena ao anatiny. Noho izany, maro no nirona tamin’ny famoronana tambazotram-paritra arovana ka anisan’ny tetikady iantohana ny fifandraisan’ireo vondron’ala mifanila ny fanarenana ny atiala sy ny harena ao anatiny.
Ny zava-misy eto Madagasikara dia tsy miala amin’io voalaza io. Ny fiarovana ny firaisan-tontoloiainana sy ny harena voajanahary manko dia lasa anisan’ny vaindohan-draharaha eo amin’ny Fanjakana Malagasy fa indrindra ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Ala. Izany dia nohon’ny fahitana fa tsy mitsahatra mihavery ny harena voajanahary nohon’ny fahasimban’ny atiala: raha 10 746 403 ha ny rakotr’atiala ny taona 1990 dia nihena ho 9 294 237 ha kosa izany ny taona 2005 (MEFT, USAID & CI, 2009).
Noho ireo olana ireo ary dia nambara fa ny fampitomboana ny fifampitohizan’ny vondron’atiala tsirairay avy eran’ny Madagasikara, indrindra amin’ny faritra misy ireo zavamananaina mila fiarovana manokana amin’ny fiovan’ny toetr’andro, no fanoitra lehibe indrindra hahafahan’ny tontolo iainana manana fanoherana. Ny tanjona lehibe mifandraika amin’izany moa dia ny famolavolana tetikasa hahafahana mitazona sy mamerina ny fifampitohizan’ny vondron’atiala ary mampihena ny tsindry mihatra aminy amin’ny alalan’ny fanarenana atiala.
Maro ireo fikambanana sy vondrona toy ny FOFIFA, WWF, WCS, ESSA- Forêts, ny tetikasa COEFOR, eny fa na dia ireo orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany toy ny QMM / Rio Tinto sy Sherritt (Tetikasa Ambatovy) aza, no nanao fanandramana momba ny fambolena karazan-javamaniry zanatany. Ary tato anatin’ny 10 taona izay, dia maro ireo tetikasa “fanarenana atiala” niorina toy ny Tetikasa Mampody Savoka (TAMS) sy ny Tetikasa Masoala.
2. FANOLORANA NY TOROLALANA
Ity torolalana ity dia natao hampiasain’ny olona na vondrona maniry ny hiasa amin’ny tetikasa fanarenana atiala. Ireo dingana samihafa tokony harahina ary no haseho ato toy ny:
� Lamina sy ny teknika harahina,
� Vokatra andrasana anelanelana (mandritra) na amin’ny fiafaran’ny asa,
� Ohatra mivaingana
�
2
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
3. TSARA HO FANTATRA MOMBA NY FANARENANA ATIALA
Ny fanarenana endritany rakotr’atiala1 dia:
� Maminavina ny zava-miseho eo amin’ny endritany: ny fanapahan-kevitra raisina mba hanarenana toerana iray dia tokony hifanaraka amin’ny tanjona misy amin’ny ambaratongan’ny endritany ary hihevitra ny mety ho vokatra aterany amin’io ambaratonga io ihany;
� Mampiasa ny fomba fiasa « sivana roa sosona »: ny asa fanarenana atiala dia tokony hiteraka fanatsarana ny fifandraisan’ny fiainan’ny olombelona eo amin’ny endritany;
� Fizotra fiaraha-miasa mampiasa andiana mpandray anjara maro
� Tsy mikendry foana ny hamerina ny endritany rakotr’atiala amin’ny toerany teo aloha fa firehankevitra mitodika amin’ny ho avy izay mikendry ny hanamafy ny faharetan’ny endritany rakotr’atiala;
� Azo ampiasaina amin’ny savoka, faritra rakotr’atiala sy amin’ny tany fambolena.
Tany rakotr’atiala simba: Vondron’atiala niharan’ny fahasimbana be noho ny fakana tsy misy fetra ny hazo fandrafitra sy ny vokatra hafa ankoatry ny hazo, ny tsy fahaiza-mitantana, ny afo miverimberina, ny fampiraofam-bilona na fanakorontanana hafa… izay manakana na mampaela ny fitsirin’ny atiala indray aorian’ny fialana amin’ilay toerana. (OIBT, 2002)
Soridalan’ny firaisan-tontoloiainana: fifandimbiasana « voajanahary » ataon’ny firaisan-tontoloiainana iray sy ny lalàna hafa mety harahin’io firaisan-tontoloiainana io aorian’ny tsindry (AROSON et al, 1995).
Fifandimbiasan’ny zavamaniry: Karazan-javamaniry mpialoha lalana mahatantny masoandro no mandrakotra voalohany ny toeran’ny niharan’ny tsindry ka manaraka ary mandimby azy avy eo ireo karazan-javamaniry mahatanty hainandro be
Tanin-janakazo: tany hampaniriana zanakazo manomboka amin’ny famafazana hatramin’ny fotoana hahafahany miaritra ny toetr’andro sy toe-tany hambolena azy.
Karazana zavamananaina zanatany: Karazana zava-mananaina hita amin’ny faritra iray ara-voajanahary (Bruenig 1996 in OIBT, 2002).
Karazana zavamaniry mpialoha lalana: Karazana zavamananaina mila masoandro ary afaka mameno banga amin’ny atiala voajanahary voaenlingelina (banbagoana) (OIBT, 2002).
1 Restauration du Paysage Forestier (RPF)
3.1 FAHALALANA MOMBA NY « FANARENANA ENDRITANY RAKOTR’ATIALA »
3.2 FITENY VITSIVITSY MANODIDINA NY FANARENANA ATIALA
�
3
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
4. SORIDALANA MIKASIKA NY FITONDRANA NY FANARENANA ATIALA
Ny fampodiana na fanarenana atiala dia fizotra ao anatin’ny fotoana lava izay mila fanadihadiana lalina. Maro ireo fandrindrana sy fomba fiasa azo ampiasaina fa miankina indrindra amin’ny toetoetry ny firaisan-tontoloianinana no isafidianana azy. Mba hahatanteraka ny asa fanarenana antsakany sy andavany ary dia ireto misy dingana tsara arahina vitsivitsy izay asehon’ity kisarisary manaraka ity:
1. Mamantatra sy mamaritra ny toerana hisian’ny fanarenana 2. Mamaritra ny firaisan-tontoloiainana harenina 3. Manoritsoritra ny tontolo ara-piarahamonina sy ara-toekarena 4. Mamantatra ny tarigetra sy ny tanjon’ny tetik’asa fanarenana atiala 5. Mametraka ny vokatra andrasana 6. Mamantatra ny mpandray anjara 7. Mamantatra ireo karazana asa (fiasa ara-teknika) 8. Mijery ny olona sy ny fitaovana ilaina 9. Mamantatra ny enti-manana ara-bola sy ny fandaniana 10. Manisa (mamantatra) ny tombotsoa omen’ny tetik’asa fanarenana 11. Maminavina ny faharetan’ny tetik’asa 12. Mametraka fomba fiasa sy ny fizotry ny fanarenana 13. Mametraka ny fandaharam-potoanan’ny asa 14. Mametraka lamina fanaraha-maso sy tomban’ezaka
1. Mikarakara ny toerana sy enti-manao a. Fisafidianana ny karazan-kazo b. Fisafidianana ny toerana asiana ny tanin-janakazo c. Famokarana zanakazo d. Fitaterana zanakazo
2. Mandray fepetra fanampiny
a. Fikarakarana ara-teknika b. Fikarakarana ny aroafo c. Fiadiana amin’ny fikaohan’ny tany d. Famantarana ny fombafomba eny an-toerana sy fanomezana andraikitra ny
vondron’olona amin’ny fanaraha-maso
1. Mametraka toerana fanaraha-maso maharitra 2. Manatanteraka ny lamina fanaraha-maso sy ny tomban’ezaka
FANDRAFETANA
FANATANTERAHANA
FANARAHA-MASO SY TOMBAN’EZAKA
�
4
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
4.1.1 FAMANTARANA SY FAMARITANA NY TOERANA HISIAN’NY FANARENANA
Mialoha ny zavatra rehetra dia tsara fantarina aloha ny toerana sy ny faritra voakasiky ny asa fanarenana. Ny atao hoe «toerana » eto dia ny firaisan-tontoloiainana harenina. Toy izao aseho manaraka eto izao ary ny fizotry ny asa.
4.1.2 FAMARITANA NY FIRAISAN-TONTOLOIAINANA HARENINA
Tanjona fototra: Fametrahana sy fanoritsoritana “voaary na firaisan-tontoloiainana fitaratra” no koa ny « fitaratra ».
Hahatratrarana io tanjona fototra io dia ireto ny dingana tokony harahina:
a. Famaritana ny toetany sy ny zavamananaina
� Toe-tany: anona (facteurs) ara-toetrandro, ara-tsori-kisarintany (topographiques), ara-karazantany (édaphiques)
� Zavamananaina: Isa sy lisitry ny karazan-javamananaina (zavamaniry sy biby), firafitr’ireo eo amin’ny toe-tany misy azy
Mamaly ny hoe:”Toy inona ny anona miaina sy tsy miaina mamaritra ilay toerana?”
b. Faminavinana ny toetra ara-ekôlôjika (ambaratonga sy toetry ny fahasimbana)
� Sarintany momba ny velaran’ny faritr’atiala voakapa (taloha sy ankehitriny)
� Haben’ny fisokafan’ny rakotr’atiala
� Karazana tsindry nisy
� Anton’ny fahasimban’ny toerana ankehitriny (toe-javatra nisy talohan’ny fahasimbana, fototra niaviany sy tantaran’ny fahasimbana)
� Asa mety ho nampitombo na nampihena ny rakotr’atiala
� Tompon’antoka voalohany amin’ny fahasimban’ny endritany
Ireo dia entina hamaliana ny fanontaniana hoe: “Maninona ny fanarenana no ilaina?”
Fantarina ny toerana hanaovana
ny fanarenana
• Sarin-tany
Atao ny famaritana amin’ny alalan’ny
taotsaritany
•Sary azo avy amin'ny zanabolana vao haingana no tsara indrindra
•Kendrena ho hita soritra ao ireo singa fototra misy eo amin'ny endritany: rako-javamaniry, fampiasana ny tany, sns
Fototra iaingana Asa
4.1 FANDRAFETANA
�
5
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
d. Famaritana ny lojikan’ny fifandimbiasan’ny vondron-java-maniry
� Firafitra sy fifangaroan’ny vondron-javamaniry isan’ ambaratonga sy fotoana misy azy
� Firafitra sy fifangaroan’ny vondron-javamaniry arakaraka ny toetry ny fahasimban’ny toerana misy azy
Mikendry ny hamaly ireto fanontaniana ireto: « Ahoana ny fomba fandrindran’ny fahafenoan’atiala iray ao anatin’ny fotoana sy ny toerana (espace)? Amin’ny lafiny ekôlôjika, inona no zavatra hitranga amin’ny fahafenoan’atiala raha tsy misy fanajariana atao ? »
e. Fanondroana sy fanoritsoritana ny fitaratra
� Miainga avy amin’ny fandraisana ireo mpihazaka (paramètres) nohadihadiana rehetra teo aloha [andalana (a) (b) (d)]
� Na miainga amin’ny fanoritsoritana ara-ekôlôjika sy lisitry ny karazana zavamananaina tamin’ny voaary mitovitovy aminy fa tsy voakitika (écosytèmes similaires intacts)
Mamaly ny fanontaniana hoe:”Manao ahoana ny mety ho toetra harahin’ny zotran’ny voaary harenina?”
Marihina fa ny “voaary na firaisan-tontoloiainana fitaratra” no koa ny « fitaratra » dia fitambaran’ny toetra mety hananan’ny firaisan-tontoloiainana harenina rehefa mitombo izy. Ny fitaratra dia mety ho toerana iray na maromaro efa misy na fanambarana an-tsoratra io toerana io.
4.1.3 FANORITSORITANA NY TONTOLO ARA-PIARAHAMONINA SY ARA-TOEKARENA
Tanjona fototra: Fijerena ny fifandraisan’ny asa fanarenana atiala amin’ny asa aman-draharahan’ny mponina akaikin’ny atiala, izay mpandray anjara voalohany amin’ny fanarenana ihany koa.
Ara-tsosialy:
� Rafitra sy fandaminana misy eo an-toerana mikasika ny fampiasana ny harena voajanahary
� Tompon’ny fanapahan-kevitra raha sendra misy olana
� Fitantanana ny harena voajanahary araka ny lamina eo an-toerana
Mitaky ny valin’ny hoe: “Manao ahoana ny fomba fahazoan’ny olona mampiasa ny harena voajanahary, ny fitantanana ny disadisa? Iza no manana fahefana amin’ny fanapahan-kevitra ary ahoana ny fomba fampiharana izany?”
Ara-toekarena:
� Fanoritana ny asa aman-draharahan’ny mponina mivelona manodidina ny faritr’ala harenina (fambolena, fiompiana, fanodinana vokatra, sns.)
� Famantarana izay mety ho fidiram-bola na fampiasana akora avy amin’ilay toerana
� Antony mety mahabetsaka ny fampiasana ireo akora ireo (oh: fivelomana, lalam-barotra, fanafody, sns.)
Ireo dia entina hamaliana ny fanontaniana hoe:” Manao ahoana ny fotopiveloman’ny mponina any an-toerana? Mandray anjara amin’ny asa famporisihina ara-toekarena ve izy ireo? Inona no akora anisan’ny manan-danja be indrindra?”
�
6
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
4.1.4 FAMANTARANA NY TARIGETRA SY NY TANJON’NY TETIKASA FANARENANA ATIALA
Toy ny tetikasa rehetra, tokony hasiana tarigetra sy tanjona ny tetikasa fanarenana atiala. Ilaina ihany koa izy ireo mandritra ny dingana fitsarana sy fanombanana ezaka.
� Tarigetra: mifandraika amin’ny nofinofy na lafatra indrindra ary tokony hahitana taratra ireo toetra sy harenan’ny “fitaratra” manan-danja indrindra.
� Tanjona: fepetra mivaingana raisina entina hanatratrarana ny tarigetra.
Ireto avy ny dingana harahina amin’ny famaritana ny tarigetra sy ny tanjona:
� Mamaritra vonjimaika ny tanjona sy tarigetra araka ny fahafantarana ny zava-misy any an-toerana efa hita teo aloha
� Mitondra izany hiadian-kevitra eo anatrehan’ny mpandray anjara rehetra
� Mampahafantatra azy ny toetra fototra iaingana sy ny toetry ny firaisan-tontoloiainana ankehitriny ary ny mety hoaviny, araka ny « modely » natao, raha tsy misy fepetra raisina.
� Mandinika miaraka amin’ny olona ifotony ny mety ho anton’ny fahasimbana
� Mitady ireo vahaolana rehetra manoloana ny fihenan’ny harena voajanahary
� Manambatra isan-tsokajy ireo vahaolana hita ary mandahatra azy ireo arakaraka ny fialohavany (laharam-pahamehana).
� Mamantatra ireo sokajy azo tanterahina
� Ireo sokajim-bahaolana azo tanterahina ireo no apetraka ho tanjona. Mbola azo atao tsara ny manisy fanovana arakaraka ny toe-java-misy raha ilaina izany.
� Mandraikitra tanteraka ny tarigetra sy ny tanjona hotratrarina amin’ny fanarenana atiala
Aorian’ireo dingana ireo dia azo atao ihany koa ny mijery ireo “zana-tanjona” izay tokony hazava kokoa mba hanamorana ny fanoritsoritana ny “asa” sy ny “fanondro anarahi-maso ny asa”.
4.1.5 FAMETRAHANA NY VOKATRA ANDRASANA
� Miainga avy amin’ny tarigetra sy ny tanjona no ametrahana ny vokatra andrasana.
� Isaky ny tanjona iray dia tokony hisy vokatra andrasana iray mifandraika aminy.
� Tokony hahitana taratra sahady ireo asa aman’andraikitra rehetra ilaina sy ireo fomba enti-manana hanatanterahana azy.
�
7
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
Tanjona fototra: Famantarana ny mpandray anjara isaky ny singa mandrafitra ny endritany miainga amin’ny fandrafetana ilay tetikasa ka hatramin’ny fanatanterahana azy.
Ny mpandray anjara dia tsy iza fa ireo tompon’antoka voakasiky ny tetikasa fanarenana. Izany hoe:
� olon-tsotra,
� mpamatsy vola ny tetikasa,
� mponina an-toerana,
� manampahefana ara-panjakana sy eny an-toerana
� vondrona sy sampan-draharaham-panjakana ifotony amin’ny sehatry ny tontoloiainana.
Raha fehezina dia:
4.1.7 FAMANTARANA IREO KARAZANA ASA (FIASA ARA-TEKNIKA)
Tanjona fototra: Famantarana ireo karazana asa sy fomba firotsahana an-tsehatra rehetra na amin’ny lafiny ara-teknika io na amin’ny fanatanterahana mivantana ny asa fanarenana.
Fanontaniana ho valiana: “Raha ireto ny tarigetra sy tanjon’ny tetikasa ary ireo mpandray anjara samihafa, inona kosa ny fomba fiasa tokony harahina mandritra ny asa?”
Fototra iaingana: Toetry ny endritany sy fahasimban’ilay atiala.
Ohatra vitsivitsy amin’ny fanarenana azo atao àry no aroso eto amin’ity Fafana manaraka eto ity.
Toetry ny endritany Safidy fanarenana azo atao Toetra 1 : Endritany manana fahasimbana kely
� Endritany manana velarana lehibe � Misy hazo tapaka vitsivitsy ary afo kely � Misy fambolena amin’ny velarana tsy
midadasika
Safidy 1 :
� Fampaniriana voajanahary arahi-maso sy karakaraina: fanalana ny ahi-dratsy manodidina ny zanakazo voajanahary, famelana ny karazan-kazo sasany hitsiry ary famonoana ireo hafa (famitsiana na fiavana), fiarovana ny faritra amin’ny tsindry maro samihafa.
Toetra 2 : Endritany manana fahasimbana an-tenatenany � Endritany manana velarany lehibe � Misy toerana malalaka tsy misy hazo ka
nanirian’ny karazan-kazo tia masoandro eo aminy�tsy ahitana karazana zava-maniry sarobidy sy tadiavina intsony eo amin’ilay toerana
Safidy 2 : � Fampanirina voajanahary arahi-maso sy karakaraina :
fanalana ny ahi-dratsy manodidina ny zanakazo voajanahary, famelana ny karazan-kazo sasany hitsiry ary famonoana ireo hafa (famitsiana na fiavana), fiarovana ny faritra amin’ny tsindry maro samihafa.
� Fambolen-kazo fanatsarana : fanatsarana ny atiala amin’ny alalan’ny fampidirana karazan-kazo manan-danja na azo amidy
Toetra 3 : Endritany manana fahasimbana be � Endritany tapak’atiala amin’ny velarany
lehibe �fisokafana midadasika izay mahafeno ny antsasan’ny velarana
� Toetra ara-tontoloiainan’ny atiala manana fahasimbana be : bozabozaka sy hazo madinika no tena mandrakotra azy, fikoan-
Safidy 3 : � Fambolen-kazo fanatsarana : fanatsarana ny atiala
amin’ny alalan’ny fampidirana karazan-kazo manan-danja na azo amidy
� Fanarenana sy famerenana atiala: fambolena sy fepetra fiarovana. Kendrena ny fampiasana ny karazan-kazo mahatanty ny toe-tany ka hahafahana mametraka na
4.1.6 FAMANTARANA NY MPANDRAY ANJARA
Asa Tompon’andraikitra
�
8
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
tany, renirano, sns.
mamboly karazan-kazo matanjaka kokoa aty aoriana. Ny toerana tokony ho volena voalohany dia ireo faritra andairan’ny fikaon-tany (solampy miaka-drantsana, faritra manara-drenirano) ary ireo voly hazo izay hahafahana miantoka ny fifandraisan’ny atiala sisa tavela.
Rehefa voajery avokoa ny asa tokony hatao dia fantarina ireo olona sy ny fitaovana ilaina mba hanamora io famantarana io, dia ireto avy ny fanontaniana tokony hovaliana:
Marihina fa ny fahombiazan’ny asa fanarenana dia tokony hiainga amin’ny fiaraha-miasa amin’ny vondron’olona eny an-toerana.
Tsara ihany koa ny mampatsiahy fa io famaritana tompon’antoka io dia tokony havaozina ary dinihina matetika mandritra ny asa fanarenana atiala. Ny tompon’antoka voafaritra teo am-piandohana ho toy ny voalohan-daharana mantsy dia mety hihen-danja aty aoriana ary ny vondrona hafa izay tena ilaina dia mety tsy hiseho raha tsy amin’ny dingana aty afara.
Ny fanoritsoritana ireo fandaniana amin’ny asa fanarenana dia miankina amin’ny fomba hanatanterahana azy.
4.1.8 FIJERENA NY OLONA SY NY FITAOVANA ILAINA
4.1.9 FAMANTARANA NY ENTI-MANANA ARA-BOLA SY NY FANDANIANA
� Iza no hampahomby ny asa fanatanterahana raha mandray anjara izy (na iza no hampihena ny fahombiazana raha tsy mandray anjara izy) ?
� Iza no hanohitra ny fanatanterahana io hevitra fanarenana atiala io? Inona no azo atao mba hamporisihana azy na izy ireo hiara-hiasa ?
� Iza no afaka hizara ny fahaizany (traikefany), ny talentany sy enti-manao hafa amin’ny asa fanarenana?
Nalaina sy navaozina avy tamin’ny OIBT/UICN, 2005
Hofantarina avokoa ny vola lany mifanaraka amin’ireo fomba fiasa rehetra (méthodes) notanisaina
Hofantarina ny vola eo am-pelatanana (toe-bola) sy ny
loharanom-bola.
Hojerena ny elanelana, izany hoe ny vola fanampiny mbola ilaina isaky ny fomba fiasa tsirairay.
Noho izany dia tokony �
�
9
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
Tanjona fototra: Fampahafantarana ny tombontsoa rehetra (mandritra ny fotoana fanatanterahana ny asa sy aoriany) entina hamporisihana sy hampitomboana ny fandraisan’anjaran’ny vondron’olona amin’ny asa fanarenana.
Ireto àry misy ohatra vitsivitsy amin’ny tombontsoa mety ho azo:
Tombontsoa arakaraka ny fampiasana azy Anjara asa Karazana vokatra sy soa azo
Tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana mivantana ny atiala
� Famokarana � Fiarovana � Sosialy
Vokatra azo avy amin’ny toerana mandritra na aorian’ny asa fanarenana:
� asa fivelomana, � hazo, tantely, � fiarovana amin’ny riaka, sns
Tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ankolaka ny atiala � Asa ara-ekôlôjika : fiarovana
� Mitahiry karbôna � Mandrindra ny toetrandro � sns
Tombontsoa azo na dia tsy mampiasa azy aza
� Rivotra madio � Lanja ara-tsosialy
� Fahafaham-po sy filaminana � Fahafantarana fa ho tafita amin’ny
taranaka aoriana ny harena voajanahary
Ireo singa efatra ireo no mamaritra ny faharetan’ny tetikasa
FAHARETAN'NY�
TETIK'ASA?
Tanj
ona
Karazana asa atao
Mpa
ndra
yan
jara
Loharanom-bola
4.1.10 FANISANA (FAMANTARANA) NY TOMBONTSOA OMEN’NY TETIKASA FANARENANA
4.1.11 FAMINAVINANA NY FAHARETAN’NY TETIKASA
�
10
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
Tanjona fototra: Fifidianana ny fomba mahomby indrindra hanatanterahana ny asa fanarenana mifanaraka amin’ny loharanom-bola nefa hahatratrarana ny tanjona napetraka.
Tanjona fototra : Fanatontosana rindran-damina enti-manaramaso sy manao tomban’ezaka ny asa fanarenana
Noho izany dia:
� Ilaina ny mamaritra ireo tondro hanaraha-maso hahafahana mandrefy ny fahavitan’ny asa nofaritana.
4.1.12 FAMETRAHANA NY FOMBA FIASA SY NY FIZOTRAN’NY FANARENANA
4.1.13 FAMETRAHANA NY FANDAHARAMPOTOAN’NY ASA
4.1.14 FAMETRAHANA LAMINA FANARAHAMASO SY TOMBAN’EZAKA
Fomba fiasa sy paikady raikitra
Enti-manana sy fandaniana
Famatsiam-bola
Faharetan'ny tetik'asa
Tombotsoan'ny fomba fiasa tsirairay
Ny fandaharam-potoan’ny asa dia mandahatra ny asa rehetra atao, anatrarana ny tanjona tsirairay, ao anatin’ny fotoana. Tokony ho hita ao ihany koa ny zavatra ilaina mifanaraka amin’ny asa rehetra tanisaina (ara-olona, ara-pitaovana ary ara-bola).
�
11
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
Salan’isa, isan-jato, velarana, sns: antontan-kevitra azo refesina
� Ilaina ny mamaritra fepetra fahombiazana (standards de performance) hitsarana ny fahatratrarana na tsia ny tanjona napetraka
Miainga amin’ny fahalalana hita ao anatin’ny fanoritsoritana ny “fitaratra” no avadika ho mpanondro na tondro
�
12
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
Famintinana ny dingana fandrafetana
Raha fehezina ireo ambaratonga samihafa amin’ny dingana fandrafetana dia toy izao:
1. Manao ahoana ny toetran’ny
fahafenoana atiala sy ny toerana misy
azy ?
� Fahafenoana : karazan-javamaniry, firafitra, fahasalamana,
taona, fahafahana manavao taranaka, sns
� Toetran’ny toerana : mpihazaka ara-karazan-tany, ara-
haifitsinjaran-drano,
� Toe-javatra ara-toekarena sy ara-tsosialy : iza no mampiasa
ny atiala, atao inona, ary inona no fiantraikan’izany ?
2. Inona no tantaran’ny fahafenoana
atiala sy ny toerana misy azy? Mamantatra ny anton’ny fahasimbana, ohatra, iharan’ny fomba
fambolena mifindrafindra ve ny faritra?; raha eny, manao ahoana
ny fahamafisany? Voatrandraka amin’ny fomba tafahoatra ve ilay
fahafenoana? Nisy doroala nitranga ve?
3. Manao ahoana ny mety ho
fivoaran’ilay toerana raha tsy misy
fandraisan’andraikitra miainga avy
amin’ny rafitra fanajariana ?
Inona no zavatra mitranga amin’ilay fahafenoana raha tsy misy ny
fanajariana azy? Ohatra, ara-ekôlôjika (fifandimbiasana, sns) ary
ara-tsosialy (famadihana tany amin’ny zavatra hafa, sns)
4. Inona no tetikady fanajariana tsy
maintsy ilaina mba hahazoana vokatra
tsara? (fanatsarana, fanarenana,
famerenana)?
Ny fiantraikan’ny zavatra atao dia
miankina amin’ny olona manajary,
mandrafitra, mandray ny vokatra ary
miambina ny vokatra.
Fandrafetana fanajariana ny fahafenoana atiala na ny toerana
simba: fikarakarana atiala, fitantanana iaraha-manao, fitantanana
mahasahana asa aman-draharaha maro :
� Famaritana ny tanjona
� Famantarana ny tompon’antoka
� Fanisana ny enti-manao ilaina sy ny loharanom-bola
� Famantarana ny tombotsoan’ny fanarenana
� Famerana ny fomba fiasa
� Fametrahana ny fandaharam-potoan’ny fiasana
� Famerana ny fanaraha-maso
Navaozina avy amin’ny OIBT/UICN, 2002
�
13
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
a. Fisafidianana ny karazan-kazo Ny fisafidianana ny karazan-kazo dia miankina amin’ny fepetra telo: fepetra ara-ekôlôjika, fepetra ara-tsosialy, fepetra ara-toekarena
Fisafidianana ny karazan-kazo
Fepetra ara-ekôlôjika
1. Inona avy ny karazan-kazo mahatanty ny toe-tany (karazan-tany, toetrandro, firafitry ny tany, sns) ?
2. Iza amin’izy ireo no afaka miaritra ny toetrandrom-paritr’ilay faritra harenina (toetany sy haiaina taorian’ny tsindry : fisokafan’ny rakotr’atiala, hakitrok’ilay atiala, karazantany, sns.) ?
�Ireo karazan-kazo mandrafitra ilay faritra harenina ihany no afaka mivelona eo amin’ilay toerana
�Ny fizotran’ny fifandimbiasan’ny zavamaniry voajanahary amin’ilay faritra harenina no mandidy ny karazan-kazo sahaza ny toerana.
Ambaratongam-pahasimbana iray = andiana karazan-kazo iray
Fepetra ara-tsosialy sy ara-toe-karena
Amin’ireo karazan-kazo voasafidy taorian’ny dingana ara-ekôlôjika, inona avy ireo izay azo ekena amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarena?
�Ireo karazan-kazo misy lanja amin’ny lafiny ara-barotra sy ara-tsosialy no safidiana
� Manana taham-pahombiazana tsara kokoa eo anivon’ny fiaraha-monina ny fanarenana atiala raha mitondra fanatsarana ankapobeny eo amin’ny fandonahan’ny tany, fisian’ny rano, sns.
b. Fisafidianana ny toerana asiana ny tanin-janakazo Toy ny nambara teo aloha, ny tanin-janakazo dia toerana natao hamokarana zanakazo mialoha ny hambolena ity farany amin’ny atiala harenina na tany ho volena.
Ny tanin-janakazo dia tokony hapetraka amin’ny toerana:
� Ahitana rano mandavan-taoana, izany hoe akaiky renirano na dobo;
� Ahitana tany lonaka maro nohon’ny famokarana mila tany betsaka;
� Mora itsihan’ny rano mba hiarovana ny tanin-janakazo tsy ho azon’ny tondran-drano ;
� Alan-drivo-mahery: tsy maintsy hatao izay hiarovana ilay toerana raha tsy voaharon’ny zavamaniry manodidina;
� Akaikin’ny toerana hambolena ny zanakazo mba hahamora ny fitaterana;
� Misy arabe na lalana tsara mampifandray azy amin’ny toerana ilana ireo zanakazo;
� Ahitana olona afaka mikarakara azy.
4.2.1 FIKARAKARANA NY TOERANA SY NY ENTI-MANAO
4.2 FANATANTERAHANA
�
14
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a D. Famokarana zanakazo
Marihina fa ny isan’ny zanakazo karakaraina dia tokony hitombo roapolo isan-jato mihoatra amin’ny ny isa neritreretina hovokarina, izany dia mba hahafahana manolo ny simba na maty.
Toy izao aseho manaraka eto izao ary ireo dingana harahina amin’ny famokarana zanakazo.
Fandrafetana tanin-janakazo izay mizara ho sampana maromaro
sarahin’ny lalankely
Fangalana zana-kazo anaty ala (sauvageon)
Fanangonana voa
na
Raha voa nafarana avy amin’irony toerana
mpamokatra voa toy ny SNGF
Raha voa nalaina avy amin’ny hazon’ala ihany
Aparitaka ambony toerana malalaka ilay voa mandra-
pahamainany
Atao anaty plastika na boaty ka asiana anarana sy laharana
Tehirizina amin’ny toerana tsy misy amandoana ary tsy
mangatsiaka na mafana be loatra
Afafy anaty soriboly (plate-bande)
Fanangaroina tany Fampidirana ny tany anaty pot plastika na fandrafetana “bolety”
“Fanetsana” (fambolena ny zanakazo anaty plastika
na “bolety”)
Fametrahana ny “pot plastika na bolety misy zanakazo” eny amin’ny
tanin-janakazo voaaloka
�
15
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
Marihina etoana fa:
� Raha alaina amin’ny hazo ao anaty ala ihany ny “voa” dia tokony ho hazo voafantina tsara no angalana azy (tsy misy aretina, mahitsy, tsy be sampana). Mialohan’ny hamaritana izany hazo izany dia ilaina ny manara-maso ny mombamomba ny hazo: fotoana hamelanan’ny hazo, fotoany hivadihan’ny felana ho voany, fotoana mahamasaka ny voa, fotoana mampisy voa (isan-taona sa isaky ny roa taona), ireo singa na mpihazaka rehetra mety hampiova ny fahavokaran’ny voa, sns.
� Raha toa kosa ka “zanakazo alaina anaty atiala” na “sauvageon” avy hatrany no ampiasaina dia tokony ho zana-kazo tsara: tsy misy bibikely sy aretina, manana tahan’ny fitsiriana ambony. Ary ny zanakazo nalaina dia tokony hasiana anarana siantifika, toerana sy vaninandro nangalana azy.
� Ny fotoana faharetan’ny zanakazo ao amin’ny tanin-janakazo dia miankina amin’ny faritra ekôlôjika sy ny karazan-kazo.
Zanakazo manana toetra tsara = manana halava sy savaivon’ny foto-tahony (collet) mifanaraka amin’ny taonany, manana faka mitovitovy amin’ny haben’ny vatany ambony.
E. Fitaterana zanakazo Ny zanakazo manana halehibe mifanaraka amin’ny fepetra voalaza teo ambony no fantenina.
� Ilana fitandremana lehibe ny fitaterana sy fampidinana azy ireo avy ao anaty fiara na fitaovam-pitanterana hafa.
� Tokony harovana amin’ny rivotra izay mety hanamaina azy ny zanakazo mandritra ny fitaterana
� Mila atao mifanety ihany koa ny zanakazo mba tsy hihetsehany.
Ny fotoana fandefasana zanakazo dia tokony hapetraka mazava mba tsy hisian’ny fahatarana na fahatongavany aloha be loatra mihoatra amin’ny fotoana hambolena azy.
Fitaterana zanakazo = iray andro mialohan’ny fambolena
F. fambolena Ny safidy roa mahazatra amin’ny « fanarenana » dia ny fambolena milahatra sy ny fambolena amin’ny toerana babangoana.
Ny fambolena milahatra (lalankely) dia fambolena, amin’ny atiala izay manana fahasimbana be, manaraka tsipika mirazotra sy mitovy halavirana.
Arakaraka ny karazana sy ny haben‘ny zanakazo ny elanelan’ny ny zanakazo ary ny karazan-kazo matetika hampiasaina eto dia ireo manan-danja amin’ny varotra.
�
16
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
Ny fambolena amin’ny toerana banga (banga be anaty atiala) dia fambolena tanterahina amin’ny atiala simba na notrandrahana be. Ny anton’ny hisafidianana io fomba iray io dia noho ny hasarotry ny fanatanterahana sy fikarakarana ny fambolena manaraka tsipika. Io ihany koa ny fomba fiasa safidiana raha karazan-kazo tena tia taratr’andro no hovolena. Toy izao ary ny fanatanterahana azy:
� Fantarina ny toerana misy ny banga sy ny fitsinjaran’ny karazan-kazo sisa tavela.
� Atao mitovy amin’ny salan’ny haavon’ny hazo manjaka eo amin’ny toerana ny savaivon’ny toerana hambolena ny zanakazo (placeau).
Ny fotoana fambolena zanakazo dia amin’ny fotoana fatorian’ny zavamaniry (mialoha ny fiafaran’ny vanim-potoana main-tany indrindra ho an’ireo faritra maina). Izany dia mba hifanandrifian’ny fotoana fifohazan’ny zavamaniry (fotoana hiasany) amin’ny vanim-potoanan’ny orana.
4.2.2 FEPETRA FANAMPINY
A. Fikarakarana ara-teknika Aorian’ny fambolena ny zanakazo dia tsy maintsy hapetraka tsara ny fomba sy fotoana hitantanana sy hikarakarana azy.
Noho izany dia ilaina ireto karazan’asa ireto:
� Fanadiovana: fanalana ny ahidratsy sy ny zavamaniry manelingelina hikendrena ny fampihenana ny fifaninanana misy eo zavamaniry.
� Fanoloana ny maty
� Fiavana sy fievoevoana ny tany
Fotoana hanatanterahana ny asa = mandrapahazon’ny zanakazo halavana mihoatra ny bozaka
B. Fikarakarana ny aroafo Ny faritra narenina dia tokony harovana amin’ny afo na zavatra mety manimba (toy ny fametrahana omby) amin’ny alalan’ny fametrahana « aroafo ».
Tsara ho fantatra
� Toerana manodidina ny faritra narenina no tsara ametrahana ny aroafo mba hiarovana ilay faritra amin’ny ahitra sy bozabozaka
� Azo apetraka manaraka ny tendron’ny havoana na ny vohitra ihany koa ny aroafo
� Tsiahivina ihany koa fa ny arabe, ny lalana, sns ary ny aroafo voajanahary (toy ny renirano, ny vatovato sy ny lavaka) dia tokony hampiasaina araka izay mahamety azy.
�
17
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
Fomba entina miady amin’ny fikaohan’ny tany
D. Fiadivana amin’ny fikaohan’ny tany Raha toa ka simba be ilay faritra ary tsy ahitana vondron-javamaniry intsony dia azo atao ny miady amin’ny fikaohan’ny tany.
� Fanajariana vala mitazona rano na lakan-drano amiliana rano
� Fambolena zavamaniry toy ny hazo fihinamboa na hazo manamasaka ny tany (mba hanatsarana ny firafitry ny tany sy ampiasana arak’izay tratra)
� Fanajariana lavaka anangonana tany
E. Famantarana ny fombafomba eny an-toerana sy fanomezana andraikitra ny vondron’olona amin’ny fanaraha-maso, fijerijerena ary fikarakarana ny toerana.
Ny asa fanarenana dia mitaky fahazotoana sy fandraisana anjaran’ny mponina manodidina. Koa mba hahazoana ny fanampian’izy ireo dia:
� Fantarina, amin’ny alalan’ny fifampiresahana, ny antony hanaovany ireo tsindry maro isan-karazany.
� Jerena miaraka amin’ireo mpitondra sy Zokiolona eo an-toerana ny fomba sy lalàna nentim-paharazana mikasika ny fampiasana afo sy fanapahana hazo ary ny fomba fampiharana izany lalàna izany.
� Manao ezaka fanentanana amin’ny fampihenana ny fanaovana ireo tsindry sy fametrahana azy ireo ho tompon’andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny asa fanarenana.
�
18
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
4.3.1 FAMETRAHANA TOERANA FANARAHAMASO MAHARITRA
Tanjona fototra: Fametrahana toerana hahafahana manara-maso ny fitombon’ny zanakazo
4.3.2 FANATANTERAHANA NY LAMINA FANARAHAMASO SY NY TOMBAN‘EZAKA
Tanjona fototra:
� Fandrefesana ny fitombon’ny zanakazo isaky ny fotoana voatondro izay atao ao amin’ny toerana fanarahamaso.
� Fahatratrarana na tsia ny tanjona napetraka
Amin’ity dingana ity no ampitahaina amin’ireo tondro fanaraha-maso napetraka teny am-boalohany ireo fiovana hita nandritra ny fandrefesana natao tao amin’ny toerana fanaraha-maso. Izany dia mba hanitsiana na hanampiana ny tsy nety na ny tsy ampy mety ho anton’ny fahadisoana na fahatarana.
4.3 FANARAHAMASO SY TOMBAN’EZAKA
Famaritana an-tsary ireo toerana fanaraha-maso
Fametrahana marika “maharitra” manodidina ny toerana
Ny tomban’ezaka kosa dia atao amin’ny alalan’ny fanadihadiana ny antontan-kevitra azo nandritra ny fanaraha-maso. Amin’izany dia ampitahaina amin’ireo fepetra fahombiazana notsoahina avy amin’ny “fitaratra” ny zava-misy. Eo no hahafantarana raha nanahaka ny fitaratra napetraka teny am-boalohany ny toetry ny zavamaniry na tsia.
Taona 1 Taona 2 Taona 3
Zava-misy mifanaraka amin’ny fepetra fahombiazana = TRATRA NY TANJONA
�
19
To
ro
lala
na
am
in’n
y f
an
ar
ena
na
ati
ala
5. O
HA
TRA
MIV
AIN
GA
NA
Mba
hah
azoa
na a
n-ts
aina
ireo
voa
laza
reh
etra
teo
am
bony
dia
iret
o m
isy
ohat
ra m
ivai
ngan
a na
lain
a av
y am
in’ny
asa
fan
aren
ana
efa
nata
o ta
min
’ny f
arit
ra
ara-
ekôl
ôjik
a te
lo t
eto
Mad
agas
ikar
a. M
arih
ina
moa
fa
ny t
anjo
na (
ding
ana
fand
rafe
tana
), ny
tek
nika
nan
atan
tera
hina
(di
ngan
a fa
nata
nter
ahan
a) a
ry n
y vo
katr
y ny
asa
ihan
y no
has
eho
eto.
Te
tika
sa T
AM
S KI
RINDY
BEZA
MAHAFA
LY
Toet
ra
mam
piav
aka
anka
pobe
ny
Not
ante
rahi
n’ny
mpi
ara-
mia
sa i
san-
kara
zany
toy
ny
Co
nser
vati
on
Inte
rnat
iona
l ta
o am
in’ny
fa
ritr
’And
asib
e iz
ay t
afid
itra
ao
anat
in’ny
far
itra
ar
a-ek
ôlôj
ika
Ats
inan
ana
man
ana
atia
la
kitr
oka
man
do m
aits
o m
anda
vata
ona
Not
ante
rahi
n’ny
CNFE
REF
(CFP
F ta
loha
) ta
o an
atin
’ny a
lan’i
Kir
indy
izay
taf
idit
ra a
o an
atin
’ny
fari
tra
ara-
ekôl
ôjik
a an
dref
an’i
Mad
agas
ikar
a m
anan
a at
iala
kit
roka
mai
na
Not
ante
rahi
n’ny
ESSA
-For
êts
sy n
y M
NP,
ta
o an
atin
’ny
som
bita
ny
faha
roa
sy
ny
fari
tra
man
odid
ina
ny
tahi
rin-
java
boar
y m
anok
an’i
Bezà
-Mah
afal
y sy
ny
man
odid
ina
azy,
izay
taf
idit
ra a
o an
atin
’ny f
arit
ra a
ra-
ekôl
ôjik
a at
sim
o m
anan
a at
iala
mis
y ts
ilo
Tanj
ona
Man
avao
ny
fari
tra
sim
ba m
ba h
isia
n’ny
fifa
ndra
isan
’ny t
apat
apak
’atia
la. N
y ta
njon
a m
anok
ana
dia
:
�
Mam
pand
ray
anja
ra
ny
vond
ron’o
lona
en
y an
-to
eran
a am
in’ny
fit
azom
ana
ny r
akot
r’ati
ala
sady
m
itad
y ny
fom
ba h
anat
sara
na n
y fi
aina
n’izy
ireo
,
�
Man
amor
a ny
fan
ajar
iana
ny
zava
boar
y am
in’ny
al
alan
’ny
fifa
ndra
isan
’ny
vond
ron’a
tial
a m
itsi
toko
toko
ar
y m
ampi
tom
bo
arak
’izan
y ny
fa
hare
tan’n
y at
iala
m
anol
oana
ny
fi
ovan
’ny
toet
r’and
ro,
�
Mit
azon
a ir
eo
atia
la
ho
toer
am-p
itah
iriz
ana
karb
ôna
mba
ham
pisy
fid
iram
-bol
a m
ahar
itra
.
Man
avao
ny
fa
ritr
a si
mba
ta
oria
n’ny
nitr
andr
ahan
a az
y. N
y ta
njon
a m
anok
ana
dia
:
�
Mah
afan
tatr
a ny
fo
mba
fi
aina
sy
ny
fi
tom
bon’n
y ka
raza
n-ka
zo z
anat
any
vits
ivit
sy
nata
o ha
nats
aran
a ny
at
iala
ta
oria
n’ny
nitr
andr
ahan
a az
y
�
Man
ao f
anof
anan
a sy
fik
aroh
ana
mik
asik
a ny
fa
nats
aran
a at
iala
�
Man
avao
ny
ve
lara
na
notr
andr
ahan
a m
ba
haha
faha
na m
itra
ndra
ka a
zy in
dray
Mia
ntok
a ny
fit
ohiz
an’ny
fah
afah
a-m
iain
a sy
ny
mam
piav
aka
ny z
avab
oary
ny
tahi
ry
man
okan
a. N
y ta
njon
a m
anok
an’ny
tet
ikas
a di
a :
�
Man
alef
aka
ny f
ahas
imba
na s
y fi
ovan
’ny
fifa
ngar
oana
sy
ny
fi
rafi
try
ny
kara
zan-
java
man
irin
’ny a
tial
a in
drin
dra
fa n
y so
mbi
n-ta
nin’n
y ta
hiry
fah
aroa
,
�
Mit
azon
a ny
si
sin’n
y so
mbi
n-ta
nin’n
y ta
hiry
ro
a m
isy
anke
hitr
iny
amin
’ny
alal
an’ny
fan
aren
ana
ny m
anod
idin
a az
y iz
ay n
atao
am
pias
ain’n
y ol
ona,
�
Mia
ntok
a ny
fi
fand
rais
an’ny
fa
ritr
a ar
ovan
a sy
ny
man
odid
ina
azy,
�
Mam
ela
ny
vond
ron’o
lona
en
y an
-to
eran
a ha
mpi
asa
ny v
okat
ra s
y an
jara
as
a na
tera
ky n
y fi
sian
’ny a
tial
a am
in’ny
fo
mba
mah
arit
ra s
y vo
ahev
itra
.
�
20
To
ro
lala
na
am
in’n
y f
an
ar
ena
na
ati
ala
Mpa
ndra
y an
jara
�
M
pana
ra-m
aso
ara-
tekn
ika
: A
NA
E sy
CI
REF
Mor
aman
ga
�
Mpi
andr
aiki
tra
mpa
nam
ora
: M
ATE
, GE
RP,
SAF/
FJKM
M
oram
anga
), M
NP
And
asib
e-M
anta
dia,
�
Mpa
nata
nter
aka
(fam
bole
na) :
von
dron
’olon
a en
y an
-toe
rana
(o
men
a an
drai
kitr
a re
hefa
av
y no
fani
na)
�
Mpa
nara
-mas
o ar
a-te
knik
a : C
NFE
REF
�
Mpa
nata
nter
aka
: m
pias
an’ny
CN
FERE
F sy
fa
mpi
asan
a ol
ona
eny
an-t
oera
na
�
Mpa
nara
-mas
o ar
a-te
knik
a :
ESSA
-Fo
rêts
sy
MN
P
�
Mpa
nata
nter
aka
: von
dron
’olo
na e
ny a
n-to
eran
a
�fi
fana
raha
m-p
iara
ha-m
iasa
am
in’ny
an
drim
-pan
jaka
na e
ny a
n-to
eran
a
Fomba
fa
nare
nana
Fe
petr
a nisa
fidian
ana
ny k
araz
an-k
azo:
kar
azan
a za
nata
ny
amin
’ilay
fa
ritr
a ha
reni
na.
Soka
jiana
ka
raza
na t
elo
arak
a ny
raf
itra
fan
aren
ana
:
�
Kara
zana
mor
a ta
diav
ina
sy m
anan
a fi
tom
boan
a ha
inga
na
toy
ny
Har
unga
na m
adag
asca
rien
sis,
Cr
oton
mon
gue
ary
Tre
ma
orie
ntal
is
�
Kara
zana
man
ana
fito
mbo
ana
sala
ntsa
lany
toy
ny
Sym
phon
ia s
p., P
roth
orus
dit
imen
a
�
Kara
zana
m
anan
a fi
tom
boan
a el
a to
y ny
Da
lber
gia
sp. O
cote
a sp
. ary
Phy
llart
hron
sp.
Fita
izan
a an
-tan
in-j
anak
azo
:
�
Fiot
azan
a ny
voa
�
Mam
pias
a ny
tek
nika
VA
M (
Vasc
ular
Arb
oscu
lar
Myc
orri
za)
�
Faha
reta
n’ny
fika
raka
rana
: 4
ka h
atra
min
’ny 5
vo
lana
ho
an’ny
kar
azan
a m
itom
bo h
aing
ana
ary
9 vo
lana
ho
an’ny
kar
azan
a el
a fi
tom
boan
a
�
Fam
oaha
na z
anak
azo
an-t
anin
-jan
akaz
o :
haav
o 30
sen
tim
etat
ra f
ara-
faha
kelin
y ho
an’n
y so
kajy
vo
aloh
any,
ha
avo
15
sant
imet
atra
fa
ra-
faha
kelin
y ho
an’n
y so
kajy
fah
aroa
sy
faha
telo
Fepe
tra
nisa
fidian
ana
ny k
araz
an-k
azo
:
�
Kara
zan-
kazo
za
nata
ny
amin
’ilay
fa
ritr
a (s
atri
a iz
y ir
eo i
hany
no
mah
atan
ty n
y to
e-ta
ny a
min
’ilay
toe
rana
) ;
�
Kara
zan-
kazo
m
ora
ahit
ana
voa
sy
efa
anan
ana
trai
kefa
ra
ha
ny
fam
okar
ana
ny
zana
kazo
ny
anat
y ta
nin-
jana
kazo
no
re
sahi
na ;
�
Kara
zan-
kazo
m
anan
a fa
hafa
hana
m
iain
a ts
ara
eny
amin
’ny
toer
ana
mis
y fa
hasi
mba
na ;
�
Kara
zan-
kazo
m
anan
-dan
ja
ara-
toe-
kare
na:
toe-
bata
na
sy
toet
ra
ara-
tekn
ôloj
ikan
’ny
hazo
, ara
-bok
atra
;
�
Kara
zan-
kazo
mam
aly
ny t
inad
y eo
ani
von’n
y fi
rene
na, n
y fa
ritr
a sy
eny
an-
toer
ana
Kara
zan-
kazo
fan
aren
ana:
Alle
anth
us
grev
eanu
s,
Colv
illea
ra
cem
osa,
Co
mm
ipho
ra g
uilla
umin
i, Co
mm
ipho
ra m
afai
doha
, Gy
roca
rpus
am
eric
anus
, N
eobe
guea
m
ahaf
alie
nsis
, Haz
omal
ania
voy
roni
i
Fepe
tra
nisa
fidian
ana
ny ka
raza
n-ka
zo :
kara
zana
za
nata
ny
man
an-d
anja
am
in’ny
la
finy
ara
-toe
-kar
ena
sy a
ra-t
sosi
aly
Kara
zan-
kazo
fa
nare
nana
: Al
luau
dia
proc
era,
Jat
roph
a m
ahaf
alie
nsis
(ka
raza
na
mpi
sava
lala
na a
min
’ny f
arit
ra h
aren
ina)
Tsy
nota
izan
a ta
naty
ta
nin-
jana
kazo
fa
fa
min
dran
a ny
tah
onts
iry
ho a
n’ny
Allu
audi
a pr
ocer
a ar
y fa
nafa
zana
av
y ha
tran
y ho
an
’ny J
atro
pha
mah
afal
iens
is.
Fambo
lena
�
Foto
ana
fam
bole
na :
okto
bra
�
Fom
ba
fam
bole
na
ara-
tekn
ika
: fa
mbo
lena
m
anar
aka
tsip
ika
amin
’ny
elan
elan
a 1m
x 1
m
�
Fika
rara
kara
na :
tsy
mis
y fi
kara
kara
na
�
21
To
ro
lala
na
am
in’n
y f
an
ar
ena
na
ati
ala
Fambo
lena
�
Fand
avah
ana
: 40s
mx4
0sm
x40s
m
�
Fihe
tin’n
y fa
mbo
lena
am
in’ny
an
kapo
beny
: 1
000
foto
tra
isak
y ny
iray
hek
tara
Fika
raka
rana
Fam
etra
hana
aro
afo
�
Fiav
ana
: fa
nala
na
ny
ahi-d
rats
y am
in’ny
to
eran
a fa
nare
nana
�
Fam
angi
tra
: in-
telo
isan
-tao
na a
min
’ny t
aona
vo
aloh
any,
indr
oa is
an-t
aona
am
in’ny
tao
na f
ahar
oa
ary
indr
ay
isan
-tao
na
man
ombo
ka
ny
taon
a fa
hate
lo:
fana
lana
ny
ah
idra
tsy
man
odid
ina
ny
foto
try
ny z
anak
azo
novo
lena
Fita
izan
a an
-tan
in-j
anak
azo
:
�
Fiot
azan
a ny
voa
�
Faha
reta
n’ny
fika
raka
rana
: 4
ka
hatr
amin
’ny 5
vol
ana
Fambo
lena
�
Foto
ana
fam
bole
na :
vola
na
jola
y ka
ha
tram
in’ny
aog
osit
ra
�
Fom
ba
fam
bole
na
ara-
tekn
ika
: Fa
mbo
lena
an
aty
lala
nkel
y (e
lane
lan’n
y za
naka
zo :
2m
x 2m
) ar
y fa
mbo
lena
an
aty
bang
a (e
lane
lana
1m
x 1
m)
�
Fihe
ty a
nkap
oben
y : 1
0000
fot
otra
isak
y ny
hek
tara
ho
an’ny
ban
ga a
ry 1
00 f
otot
ra
isak
y ny
hek
tara
ho
an’ny
lala
nkel
y
Fika
raka
rana
: fa
nadi
ovan
a ho
an’n
y fa
mbo
lena
0
hatr
amin
’ny 6
tao
na.
Voka
tra
Taor
ian’n
y fa
nisa
na n
atao
tam
in’ny
vol
ana
desa
mbr
a 20
09, n
y ta
han’n
y fa
hafa
tesa
na d
ia :
�
15,1
% e
ny a
min
’ny t
ampo
m-b
ohit
ra
�
18,3
% e
ny a
min
’ny s
olam
py
�
15,2
% e
ny a
min
’ny v
odin
-tan
y
�
21,3
% e
ny a
min
’ny h
orak
a
Ny
fito
mbo
n’ny
haav
ony
anka
pobe
ny m
ahat
ratr
a 14
,5
ka h
atra
min
’ny 4
2sm
/tao
na.
Tsar
a ny
man
amar
ika
fa 2
tao
na n
y za
naka
zo t
amin
’ny
fani
sana
far
any.
Taor
ian’n
y fa
nisa
na
nata
o ta
min
’ny
vola
na
desa
mbr
a 20
09, n
y ta
han’n
y fa
hafa
tesa
na d
ia :
�
85 h
atra
min
’ny 9
0% a
nati
n’ny
bang
a
�
36 h
atra
min
’ny 6
3% a
nati
n’ny
lala
nkel
y
�
Haa
von’n
y ha
zo a
min
’ny a
nkap
oben
y :
6 ha
tram
in’ny
8 m
�
sava
ivo
anka
pobe
ny :
8 sm
Ho
an’i
Kiri
ndy,
ny
fam
bole
na d
ia n
anom
boka
ny
taon
a 19
79
Ara
ka n
y fi
kira
kira
na n
y an
tont
an-k
evit
ra
azo
tam
in’ny
fan
isan
a na
tao
ny v
olan
a de
sam
bra
2009
ihan
y, n
y ta
han’n
y fa
hafa
tesa
n’ny
zana
kazo
dia
:
�
73%
ho
an
’ny
Jatr
opha
m
ahaf
alie
nsis
�
91%
ho
an’ny
Allu
audi
a pr
ocer
a
�
Sava
ivo
anka
pobe
ny :
5 sm
�
� � � �
22
T o r o l a l a n a a m i n ’ n y f a n a r e n a n a a t i a l a
6. RAKI-TAHIRIN-KEVITRA
1. MEFT, USAID et CI, 2009. Evolution de la couverture de forêts naturelles à Madagascar, 1990- 2000- 2005, 58p + Annexes.
2. OIBT/UICN, 2002. Directives OIBT pour la restauration, l’aménagement et la réhabilitation des forêts tropicales dégradées et secondaires, Série Développement de politiques OIBT No 13, 61p
3. OIBT/UICN, 2005. Restauration des paysages forestiers, Introduction à l'art et la science de la restauration des paysages forestiers. Série technique OIBT No 23, 156p
1. FAO, 2007. Situation des forêts du monde 2007, in www.fao.org
2. WWF, 2005. Forests for life Programme in www.panda.org/forests
BOKY NANOVOZAN-KEVITRA
TRANON-KALA NANOVOZAN-KEVITRA
top related